diary

Tiako toy ny jiro

eprom | 06 Febroary, 2015 04:18

-Tiako ianao.

Tiako toy ny jiro.

Andro aho mila anao,

alina aho mitady anao,

vao mifoha ary aho dia ianao no iriko

-Izany tsy tianao aho,

Fa tsy mba hiara-dalana mazava isika.

-Tsy izany re ramatoa.

Ny findaiko anie ao ihany.

Izay miantso ahy aza tsy hitako,

Raha tsy ianao no ataoko fara-tampony.

Ny jesuischarlie sy ny Fahalalahana ara-pivavahana.

eprom | 25 Janoary, 2015 15:03

Naresaka dia naresaka ny fanafihana ny gazety  Charlie Hebdo tao frantsa sy ny hetsika  jesuischarlie nanaraka azy. Anisan’ny niteraka ady  hevitra tamin’ny  maro  ny filazana fa manevateva ny fivavahan’ny hafa hoe ity gazety ity.  Voalaza mihintsy aza ny hoe ny fahalalahanao dia mijanona eo amin’ny fahalalahan’ny hafa. Inona ary  no tokony atao mba hananana  fiaraha-monina mirindra? Fahalalahana ara-pivavahana moa izany no horesahako eto . Inona ary no tokony ho fetran’io? Mijanona eo amin’ny fifanajana ve sa mahazo mifanakiana sy mifanevateva? Sarotra tanterahina anefa ity farany ho an’ireo antokom-pivavahana izay manana fikasana ny hampiely ny finoany  ho an’ny hafa.

Iniako ho ny kristianisma sy ny fanompoan-tsampy mihintsy aloha no ohatra raisina. Raha manaja ny finoana nentim-paharazana ny kristianisma, ahoana ny fomba itoriany ny  filazantsara amin’ny mpanompo ? Ahoana tokoa moa izany ny mampifandray ny hoe manaja ny finoan’ny hafa sy ny mitory aminy hoe tsinontsinona io ivavahanareo io fa tapa-kazo fandrehitra ihany?  Tsy efa fanevatevana ve izany? Tokony hanaja ny zava-masin’ny hafa isika, hoy  ny sasany. Hanaiky mora ary ve ny kristiana raha hitaky ny mpitana fivavahan-drazana hoe vohitra masina Antananarivo ka tsy tokony hanorenam-piangonana fa manjary mitondra ota fady amin’ny tany? Inona no famaritana homentsika ny hoe “manaja”, na  “manevateva”?  Amiko manokana dia zavatra sarotra tanterahina izany hoe manaja ny zava-masin’ny finoana hafa rehetra izany, satria tsy maintsy hiteraka fifanoherana tsy ahitam-baliny izany.

Ny voalohany tokony ataon’ny fiaraha-monina ary amiko, dia ny tokony ampanekena ny tsirairay fa ny famaritana ny “masina” dia miankina amin’ny finoan’ny tsirairay avy ka  tsy azo takiana amin’ny hafa izany. Izany amiko no ahafahan’ny kristiana mandoro ny sampin’ny mpanompo sampy iray miova fo. Ny kristiana kosa ary dia tsy tokony hitaky fanagadrana raha misy olona tsy kristiana mandoro baiboly.  Saingy raha mora kokoa ho an’ny kristianisma no manaiky ity fotokevitra ity, dia mbola sarotra kosa ho an’ny finoana hafa izay mbola mieritreritra  ny fiaraha-monina ho tokony iray finoana.

Ity finoana mitaky fihetsika na asa amin’ny olona hafa finoana  ity no tokony ho fanovana faharoa ilain’ny fiaraha-monina : tsy maintsy hisy foana ny lonilony raha toa ka ny fivavahanao no tsy maintsy anaovan’ny hafa, izay tsy mino izay inoanao akory, zavatra mifanohitra amin’ny fahamasinana inoany. Koa ao anatin’ny taninao manokana ihany ianao no afaka mampanan-kery ny fombanao, fa tsy eny amin’ny lalam-be sy eny anivon’ny fiaraha-monina rehetra ity ianao no hitaky  ny fahamasinanao amin’ny hafa. Saingy ity toe-tsaina ity dia mbola ho sarotra ny andresena lahatra ny olona hanaraka azy, tsy amin’ny fandeferana, fa amin’ny fahatsapana fa izany ny mampirindra ny fiaraha-monina.

Ianao amiko

eprom | 10 Janoary, 2015 05:07

Ianao,

Ilay sarotra afoy,

Ny foko anie voarohy,

Ny tanako fihino.

Ianao,

Ilay tsy ho adino,

Fitia lalim-paka,

Fitia nahazo laka.

Ianao,

Tokin’ny maraina,

Fitia mitondra aina,

Mameno izato androko.

Ianao,

Mila tsy ho andriko,

Andrandraiko hariva,

Iarahana mamindra.

Ianao,

Mameno ny fisiana,

Sintom-paniriana,

Ainga tsy hay toherina.

Ianao,

Hany amerimberenana,

Izao vetsompoko izao :

Tiako ianao, tiako ianao.

 

 

Tiako ianao amin'ny SMS

eprom | 29 Desambra, 2010 10:42

Mba lasa saina aho hoe ahoana tokoa moa raha mba ny sms no ilazana fitiavana saingy tsy hionona amin'ny jtm sy ny tiknao fotsiny fa mba atao lavalava? Ampiasaina daholo ny sms 5 n'ny airtel? 

SMS 1:

Ny itiavako anao toy ny volana,

fenomanana:soa sady kanto,  

takon'ila:miendri-piravaka

tsy tazana:mampaniry kintana

SMS 2

Ny fitiavako anao toy ny volana:

jerena manainga fanahy,

atonina lavitra loatra,

afoy,maizina ny lalankaleha  

SMS 3

itiavako anao dia ny volana:

hanazava ny alina ho avy,

hantahantan'izay ho taranaka,

ravaka fa tsy lalao

SMS 4 

Ny fitiavana manko dia volana:

na tsy eo mbola azo antenaina,

iverina izy itondra tsiky 

fenomanany ifalifaliako 

SMS 5

Ianao ho aho ry tiako dia volana:

tarafinao aho mamiratra,

iafenanao aho maloka,

itsikinao aho miandrandra lanitra 

----------------

Mila anesorana ny fidinina andalana vao tafiditra ny sasany. 

 

Ny fifidianako

eprom | 16 Novambra, 2010 17:33

Raha hifidy izaho rahampitso

Dia ianao no hofidiko

Ka io na bileta inika

Ny safidiko efa vita

Efa fantatrao tsianjery

Fa ianao ataoko "Eny"

Raha ho anao ilay fitia

Tsy mba haiko atao "Tsia".

Na oviana atao ny fifidianana

Na ahemotra ... foanana

Tena fandaniampotoana

Ianao tsy maintsy ho lany foana.

PS : Tsy mety mifantoka amin'ny politika mihintsy za zany.

Vetivety ihany

eprom | 09 Febroary, 2010 11:25

Mandeha ny fotoana an! Efa ho efa taona sahady tokoa izay no nanoratana voalohany tamin'itony blaogy itony. Efa be ny rano nikoriana tambany tetezana hoy ry zareo vazaha izay. Ny mpitondra aza efa niova. Na izaho koa aza mba niova. Taloha aho tsy mba nieritreritra hanao tononkalo amin'ny teny frantsay zany. Izao ka manjary misy.

Je t'envoie en c jour
ce6 kom boké de fleur
1 peu kom mark d'amour
Me surtou voeu de bonheur

Noezahina natao ho zakan'i sms.



Misaotra anao aho ry fiaraben'ny Vatsy

eprom | 19 Aprily, 2006 21:47

Efa amin'ny dimy sahady. Namboariko faramparany ny entako de niomana ny hidina aho. Efa nifampitaona koa ry zalahy sasany ka vetivety de vory izahay hiakatra. Rehefa zoma hariva toy izao tokoa mantsy de misy vitsivitsy izahay mpiara-miasa no miakatra any an-drenivohitra. Vetivety ihany  de tonga teny amin'ny fiantsonan'ny fiara izahay. Niaraka natao moa ny famandrihan-toerana ka de fiara iray no nisy anay rehetra. Na izany aza de tsy nisy nifanakaiky toerana izahay. Alohan'ny hiakarana ny fiara de nividy mofo lasary aloha aho. Mbola lavitra tokoa Antsampanana ka aleo aloha asiana sakafo ny kibo. Niakatra  aho avy eo namonjy ny toerako. Sisiny havanan'ny fiara no misy ahy. Somary eo afovoamboany. Izaho no aoriana indrindra taminay mpiara-miasa. Efa tonga talohako ilay olona mifanila toerana amiko. Tovovavy tsaratsara tarehy izay ilay  izy, zarazara hoditra, lava volo, manao solomaso. Nanao azafady azy aho de naka toerana.

« Natolotro ny mofo, nataoko hoe mangalà ».

Mazotoa hoy izy. De notaperiko samirery izany ny mofo.

« Nanainga indray ny fiara,

nisosa mora teny,

 izahay tsy nisy nifampiteny »

Roso ary ny dia, asa na noho izy tsy nandray ny mofo natolotro azy fa de tsy voasarika mihitsy aho hiresaka aminy. Ny torimaso no notadiaviko.  Taloha kelin’ny  hidirana an’i Brickaville de nanontany ahy izy raha misy harona plastika aty amiko. Tsy nanana afa-tsy ilay nanasian’ilay mpivarotra mofo lasary anefa aho, de iny no nomeko azy.

-Te-handò angaha ianao ?

- Ie, tsy azoko ny aiko.

Raharaha ity, mba tsy tantiko io mahita olona mandò io. Soa aloha fa mbola tsy naninona izy hatramin’izao.

Nijanona kely ny fiara dimy minitra tsy idirana an’Antsampanana. Nivoaka kely koa aho de nangataka harona plastika tamin’ny mpamily. Ny zavatra kely toy io no mba tsy ahafoizako ny Vatsy.  Nomeko an-dratovovavy moa io haronkely io avy eo. 

« Nanainga indray ny fiara,

nisosa mora teny,

 izahay tsy nisy nifampiteny »

Antsasak’adiny teo ho eo no nijanonanay nisakafo teo Antsampanana. Roso indray ny dia. Ry zalahy namako moa de nanadrohadro ahy teo ampihinanana fa tsara toerana  hono aho. Asa fa izaho de tsy nanana faniriana mihintsy hampiresaka ity tovovavy ity.

« Nironjona ny fiara, naankiny ny loha,

Nihafiako teo, atao ahoana moa»

Nony nandeha kelikely de naankin-drakalakely teo antsoroko ny lohany. Izaho ve moa hanilikilika azy. Vetivety ihany anefa izy de taitra.

- Azafady, hoy izy sady nahàtany ny lohany.

- Tsy maninona, hoy aho tsy naka sarotra, mbola te-handò foana ?

- Eny

De samy nangina teny indray, samy nitady torimaso. De naànkiny teo antsoroko indray ny lohany. De nihafiako teo. Kelikely ihany indray de taitra izy.

-Tsy maninona ?  hoy izy tamin’ny feo malefaka

- Tsy maninona, hoy aho. 

Inona koa moa no heverinao havaliko azy eo ?

Koa inona moa fa nanomboka teo de teo antsoroko ny lohany.  Mba te hatory koa aho ka dia niankina taminy. De nifampiondana izany izahay. Samy tsisy niteny anefa, samy nankafỳ mangina ny fotoana angamba. Lava ihany ny lalana mandra-pahatonga any Moramanga. Efa najanon’ny mpamily mpanampy koa ny fahitalavitra  ka de hirahira sisa no mandrotsy ny mpandeha. Tsy ampy angamba ny mifampiondana ka de nofihiniko ny tanany. Izy koa moa tsy nandà. Samy tsisy niteny anefa, samy mbola nankafỳ angamba. Nanomboka nibanjina maharitra ity endrika teo anilako ity aho. Tsara foana moa ny vehivavy ao anaty somambisamby ao. Tsy ampy koa angaha ny mifamihin-tanana ka de nosafosafoiko koa ny endriny sy ny volony. Izy koa moa tsy nandà. Namitsaka toy ny saka ampofoana fotsiny. Natohoko teo imolony ny molotro de nifanoroka izahay. Samy tsisy niteny anefa.Inona koa moa no hotenenina ? Aleo mankafỳ mangina ny fotoana fotsiny.

-Aiza isika izao ?

-Moramanga, hoy aho. 

Nahàtany ny lohany.  Nivaha koa ny tananay. Tafiditra ao anaty fiara  ny hazavan’ny jiro eny amoron-dalana. Tazako miherikerika izany ry zalahy namako. Nojereko izy fa tsy nijery ahy.

Nolalovanay fotsiny Moramanga. Ny nivoahana ny tanàna no ela de efa nifampiankina sahady ny lohanay, efa nifamihina sahady ny tananay, efa nifanohoka sahady aza ny molotray. Tsisy niteny anefa, samy nankafỳ mangina tany fotsiny. Na nifampiankina aza moa ny lohanay, tsaroako nihanitambesatra taty amiko ihany ny vatany.

-Tsy reraka,  hoy izy.

Nihomehy irery aho.

Tsia hoy aho. Iza re no teo amin’ny toerako no hanao hoe  « Aoka izay fa reraka aho » ?  

Lava ihany ny lalana. Nanomboka nangatsiaka koa. Nisampianay ny ankajobàko. De nifandimby  teny ny safosafo sy ny fifamihinan-tanana noravahan’ny orokoroka tsindraindray. Samy tsisy niteny anefa. Samy nangina fotsiny. Nankafiziko ery ny fanongotsongoany ny takolako.

-Mitenena ialahy raha reraka an. Hoy ny feo mihantany. Samy efa mitambesatra amiko manko na ny torimaso tsy ho azo na ny vatany.

Saingy tsy ho reraka mihintsy aho. Ny masoko fotsiny no akimpiko.

«... nijanona ny fiara, nifarana eo koa, ilay tantara »

Ela ny ela, tonga teo Ambodivona. Vao nihazo an’i Mahazo iny moa de efa nihataka indray izy.

-   Ianao angaha tonga de mody sa miandry maraina ? hoy aho.

-   Miandry maraina.

Nijanona ny fiara, nitsangana avokoa ireo mpandeha hody avy hatrany fa tsy hiandry maraina ao anaty fiara. Nifanao veloma izahay. Zara raha natory aho fa tsaroako falifaly kosa. « Nanao ahoana izy tao » hoy ry zalahy nananihany.

« tsy holazaiko anao anefa ny ahy ny fiafarany,

 Fa de ianao, no maminany,

Ny azoko ambara, kely foana ihany,

La la la la, tsaroako hatrany… »

Misaotra anao aho ry fiaraben’ny Vatsy

 

Alatsinainy mipasaka

eprom | 19 Aprily, 2006 05:25

Na dia andro tsy fiasana aza de tsy maintsy hoe nifoha maraina ihany. Raha tsy izany tokoa mantsy tsy ho tratra ny fotoana amin'ny 7 sy fahefany eny amin'ny square.  Efa ela tokoa izay no tsy mba nandehanana nitsangatsangana niaraka tamin'ny fiangonana. Tamin'ny 7 ora sy sasany mahery izahay vao tonga. Efa eo avokoa ny fiara mpitatitra. Efa be de be ihany koa ny olona tonga. 4 mirahalahy izahay no niaraka. Tamin'ny 8 ora de roso ny dia. Eny imerintsiatosika no aleha. Ny hira faha 133 "efa namangy ny olony" no noredonina voalohany. De nisesy ny hira maromaro ka Razoky no matetika mitarika moa izaho miventy tsindraindray eny. Na de be ihany aza ireo tsy nihira de tena naredona kosa ny feo.  Be ihany moa no tsy zanaky ny fiangonana fa mandeha miara-mitsangatsangana rehefa toy izao. Tsy atao olana izany. Vetivety ihany de tonga teny antoerana. Lalao karatra moa no tena nandanianay andro tany. Tamin'ny 12 no nisakafo.

Teo ampisakafoanana 

Ni tsotsotra  kely avy eo de nitsangatsangana nijery ny manodidina. Mahafinaritra ery ny mijery ny vary efa manopy mavo, madiva hojinjaina. Tamin'ny 3 tolakandro de tsy maintsy niomana hody amin'izay. Efa manomban-ko avy koa ny orana. Ery atsinanana ery aza hita ho oram-baratra mihintsy. De nanainga indray hody. Tao anaty fiarabe de mbola raikitra ihany ny karatra. Tsy matetika milalao intsony koa moa ka araraotina ery ny toy izao. Hatreny Fenoarivo de efa nitohana izaitsiizy ny fifamoivozana. Amin'ny 6 ora izahay vao tonga teny mahamasina indray. Nisy havandra mihintsy hono ny orana taty. Soa ihany fa tsy toy izany tany ampitsangatsanganana. Rreraka mihintsy tonga tany antrano. Nahafinaritra ka.

 

 
Accessible and Valid XHTML 1.0 Strict and CSS
Powered by LifeType - Design by BalearWeb