diary

Misaotra anao aho ry fiaraben'ny Vatsy

eprom | 19 Aprily, 2006 21:47

Efa amin'ny dimy sahady. Namboariko faramparany ny entako de niomana ny hidina aho. Efa nifampitaona koa ry zalahy sasany ka vetivety de vory izahay hiakatra. Rehefa zoma hariva toy izao tokoa mantsy de misy vitsivitsy izahay mpiara-miasa no miakatra any an-drenivohitra. Vetivety ihany  de tonga teny amin'ny fiantsonan'ny fiara izahay. Niaraka natao moa ny famandrihan-toerana ka de fiara iray no nisy anay rehetra. Na izany aza de tsy nisy nifanakaiky toerana izahay. Alohan'ny hiakarana ny fiara de nividy mofo lasary aloha aho. Mbola lavitra tokoa Antsampanana ka aleo aloha asiana sakafo ny kibo. Niakatra  aho avy eo namonjy ny toerako. Sisiny havanan'ny fiara no misy ahy. Somary eo afovoamboany. Izaho no aoriana indrindra taminay mpiara-miasa. Efa tonga talohako ilay olona mifanila toerana amiko. Tovovavy tsaratsara tarehy izay ilay  izy, zarazara hoditra, lava volo, manao solomaso. Nanao azafady azy aho de naka toerana.

« Natolotro ny mofo, nataoko hoe mangalà ».

Mazotoa hoy izy. De notaperiko samirery izany ny mofo.

« Nanainga indray ny fiara,

nisosa mora teny,

 izahay tsy nisy nifampiteny »

Roso ary ny dia, asa na noho izy tsy nandray ny mofo natolotro azy fa de tsy voasarika mihitsy aho hiresaka aminy. Ny torimaso no notadiaviko.  Taloha kelin’ny  hidirana an’i Brickaville de nanontany ahy izy raha misy harona plastika aty amiko. Tsy nanana afa-tsy ilay nanasian’ilay mpivarotra mofo lasary anefa aho, de iny no nomeko azy.

-Te-handò angaha ianao ?

- Ie, tsy azoko ny aiko.

Raharaha ity, mba tsy tantiko io mahita olona mandò io. Soa aloha fa mbola tsy naninona izy hatramin’izao.

Nijanona kely ny fiara dimy minitra tsy idirana an’Antsampanana. Nivoaka kely koa aho de nangataka harona plastika tamin’ny mpamily. Ny zavatra kely toy io no mba tsy ahafoizako ny Vatsy.  Nomeko an-dratovovavy moa io haronkely io avy eo. 

« Nanainga indray ny fiara,

nisosa mora teny,

 izahay tsy nisy nifampiteny »

Antsasak’adiny teo ho eo no nijanonanay nisakafo teo Antsampanana. Roso indray ny dia. Ry zalahy namako moa de nanadrohadro ahy teo ampihinanana fa tsara toerana  hono aho. Asa fa izaho de tsy nanana faniriana mihintsy hampiresaka ity tovovavy ity.

« Nironjona ny fiara, naankiny ny loha,

Nihafiako teo, atao ahoana moa»

Nony nandeha kelikely de naankin-drakalakely teo antsoroko ny lohany. Izaho ve moa hanilikilika azy. Vetivety ihany anefa izy de taitra.

- Azafady, hoy izy sady nahàtany ny lohany.

- Tsy maninona, hoy aho tsy naka sarotra, mbola te-handò foana ?

- Eny

De samy nangina teny indray, samy nitady torimaso. De naànkiny teo antsoroko indray ny lohany. De nihafiako teo. Kelikely ihany indray de taitra izy.

-Tsy maninona ?  hoy izy tamin’ny feo malefaka

- Tsy maninona, hoy aho. 

Inona koa moa no heverinao havaliko azy eo ?

Koa inona moa fa nanomboka teo de teo antsoroko ny lohany.  Mba te hatory koa aho ka dia niankina taminy. De nifampiondana izany izahay. Samy tsisy niteny anefa, samy nankafỳ mangina ny fotoana angamba. Lava ihany ny lalana mandra-pahatonga any Moramanga. Efa najanon’ny mpamily mpanampy koa ny fahitalavitra  ka de hirahira sisa no mandrotsy ny mpandeha. Tsy ampy angamba ny mifampiondana ka de nofihiniko ny tanany. Izy koa moa tsy nandà. Samy tsisy niteny anefa, samy mbola nankafỳ angamba. Nanomboka nibanjina maharitra ity endrika teo anilako ity aho. Tsara foana moa ny vehivavy ao anaty somambisamby ao. Tsy ampy koa angaha ny mifamihin-tanana ka de nosafosafoiko koa ny endriny sy ny volony. Izy koa moa tsy nandà. Namitsaka toy ny saka ampofoana fotsiny. Natohoko teo imolony ny molotro de nifanoroka izahay. Samy tsisy niteny anefa.Inona koa moa no hotenenina ? Aleo mankafỳ mangina ny fotoana fotsiny.

-Aiza isika izao ?

-Moramanga, hoy aho. 

Nahàtany ny lohany.  Nivaha koa ny tananay. Tafiditra ao anaty fiara  ny hazavan’ny jiro eny amoron-dalana. Tazako miherikerika izany ry zalahy namako. Nojereko izy fa tsy nijery ahy.

Nolalovanay fotsiny Moramanga. Ny nivoahana ny tanàna no ela de efa nifampiankina sahady ny lohanay, efa nifamihina sahady ny tananay, efa nifanohoka sahady aza ny molotray. Tsisy niteny anefa, samy nankafỳ mangina tany fotsiny. Na nifampiankina aza moa ny lohanay, tsaroako nihanitambesatra taty amiko ihany ny vatany.

-Tsy reraka,  hoy izy.

Nihomehy irery aho.

Tsia hoy aho. Iza re no teo amin’ny toerako no hanao hoe  « Aoka izay fa reraka aho » ?  

Lava ihany ny lalana. Nanomboka nangatsiaka koa. Nisampianay ny ankajobàko. De nifandimby  teny ny safosafo sy ny fifamihinan-tanana noravahan’ny orokoroka tsindraindray. Samy tsisy niteny anefa. Samy nangina fotsiny. Nankafiziko ery ny fanongotsongoany ny takolako.

-Mitenena ialahy raha reraka an. Hoy ny feo mihantany. Samy efa mitambesatra amiko manko na ny torimaso tsy ho azo na ny vatany.

Saingy tsy ho reraka mihintsy aho. Ny masoko fotsiny no akimpiko.

«... nijanona ny fiara, nifarana eo koa, ilay tantara »

Ela ny ela, tonga teo Ambodivona. Vao nihazo an’i Mahazo iny moa de efa nihataka indray izy.

-   Ianao angaha tonga de mody sa miandry maraina ? hoy aho.

-   Miandry maraina.

Nijanona ny fiara, nitsangana avokoa ireo mpandeha hody avy hatrany fa tsy hiandry maraina ao anaty fiara. Nifanao veloma izahay. Zara raha natory aho fa tsaroako falifaly kosa. « Nanao ahoana izy tao » hoy ry zalahy nananihany.

« tsy holazaiko anao anefa ny ahy ny fiafarany,

 Fa de ianao, no maminany,

Ny azoko ambara, kely foana ihany,

La la la la, tsaroako hatrany… »

Misaotra anao aho ry fiaraben’ny Vatsy

 

 
Accessible and Valid XHTML 1.0 Strict and CSS
Powered by LifeType - Design by BalearWeb