diary

Ny jesuischarlie sy ny Fahalalahana ara-pivavahana.

eprom | 25 Janoary, 2015 15:03

Naresaka dia naresaka ny fanafihana ny gazety  Charlie Hebdo tao frantsa sy ny hetsika  jesuischarlie nanaraka azy. Anisan’ny niteraka ady  hevitra tamin’ny  maro  ny filazana fa manevateva ny fivavahan’ny hafa hoe ity gazety ity.  Voalaza mihintsy aza ny hoe ny fahalalahanao dia mijanona eo amin’ny fahalalahan’ny hafa. Inona ary  no tokony atao mba hananana  fiaraha-monina mirindra? Fahalalahana ara-pivavahana moa izany no horesahako eto . Inona ary no tokony ho fetran’io? Mijanona eo amin’ny fifanajana ve sa mahazo mifanakiana sy mifanevateva? Sarotra tanterahina anefa ity farany ho an’ireo antokom-pivavahana izay manana fikasana ny hampiely ny finoany  ho an’ny hafa.

Iniako ho ny kristianisma sy ny fanompoan-tsampy mihintsy aloha no ohatra raisina. Raha manaja ny finoana nentim-paharazana ny kristianisma, ahoana ny fomba itoriany ny  filazantsara amin’ny mpanompo ? Ahoana tokoa moa izany ny mampifandray ny hoe manaja ny finoan’ny hafa sy ny mitory aminy hoe tsinontsinona io ivavahanareo io fa tapa-kazo fandrehitra ihany?  Tsy efa fanevatevana ve izany? Tokony hanaja ny zava-masin’ny hafa isika, hoy  ny sasany. Hanaiky mora ary ve ny kristiana raha hitaky ny mpitana fivavahan-drazana hoe vohitra masina Antananarivo ka tsy tokony hanorenam-piangonana fa manjary mitondra ota fady amin’ny tany? Inona no famaritana homentsika ny hoe “manaja”, na  “manevateva”?  Amiko manokana dia zavatra sarotra tanterahina izany hoe manaja ny zava-masin’ny finoana hafa rehetra izany, satria tsy maintsy hiteraka fifanoherana tsy ahitam-baliny izany.

Ny voalohany tokony ataon’ny fiaraha-monina ary amiko, dia ny tokony ampanekena ny tsirairay fa ny famaritana ny “masina” dia miankina amin’ny finoan’ny tsirairay avy ka  tsy azo takiana amin’ny hafa izany. Izany amiko no ahafahan’ny kristiana mandoro ny sampin’ny mpanompo sampy iray miova fo. Ny kristiana kosa ary dia tsy tokony hitaky fanagadrana raha misy olona tsy kristiana mandoro baiboly.  Saingy raha mora kokoa ho an’ny kristianisma no manaiky ity fotokevitra ity, dia mbola sarotra kosa ho an’ny finoana hafa izay mbola mieritreritra  ny fiaraha-monina ho tokony iray finoana.

Ity finoana mitaky fihetsika na asa amin’ny olona hafa finoana  ity no tokony ho fanovana faharoa ilain’ny fiaraha-monina : tsy maintsy hisy foana ny lonilony raha toa ka ny fivavahanao no tsy maintsy anaovan’ny hafa, izay tsy mino izay inoanao akory, zavatra mifanohitra amin’ny fahamasinana inoany. Koa ao anatin’ny taninao manokana ihany ianao no afaka mampanan-kery ny fombanao, fa tsy eny amin’ny lalam-be sy eny anivon’ny fiaraha-monina rehetra ity ianao no hitaky  ny fahamasinanao amin’ny hafa. Saingy ity toe-tsaina ity dia mbola ho sarotra ny andresena lahatra ny olona hanaraka azy, tsy amin’ny fandeferana, fa amin’ny fahatsapana fa izany ny mampirindra ny fiaraha-monina.

Hevitra

Hampiditra hevitra

E-mail me when comments occur on this article
 
Accessible and Valid XHTML 1.0 Strict and CSS
Powered by LifeType - Design by BalearWeb