diary

Ny fifidianako

eprom | 16 Novambra, 2010 17:33

Raha hifidy izaho rahampitso

Dia ianao no hofidiko

Ka io na bileta inika

Ny safidiko efa vita

Efa fantatrao tsianjery

Fa ianao ataoko "Eny"

Raha ho anao ilay fitia

Tsy mba haiko atao "Tsia".

Na oviana atao ny fifidianana

Na ahemotra ... foanana

Tena fandaniampotoana

Ianao tsy maintsy ho lany foana.

PS : Tsy mety mifantoka amin'ny politika mihintsy za zany.

Hevitra

Re: Ny fifidianako

jentilisa | 16/11/2010, 18:56

Tena tsy tafa ve ilay midina an-dalana fa lasa bambaray ilay izy!

Re: Ny fifidianako

eprom | 18/11/2010, 05:34

ok, zay fa voaova e

 
Accessible and Valid XHTML 1.0 Strict and CSS
Powered by LifeType - Design by BalearWeb